4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fitiavana ihany - Henri ratsimbazafy

Raha ny foko no tsapako rniova fitepo
ka tsaroako mientana toy ny hiempo
dia lazaiko fa tsotra ny anton'izany,

tsy inona fa NOHO ILAY FITIAVANA IHANY.


Olon-droa tsy mifankalala akory
mifanaiky, na faly izy ireo na ory,
hiara-miaina hamaky ny fiainana an-tany,
nahoana re ? NOHO I LAY FITIAVANA IHANY.


Ny mpivady miray toa rano sy vary
ny ankizy toa manana toetra mirary,
hasambarana no hita mameno ny ankany,

nahoana re ? NOHO ILAY FITIAVANA IHANY.


Misy kosa fitia mandrava ny efa

ka mivaona toa toraka diso fiantefa,
izay voany, marary ka velon-tomany

izany koa, NOHO ILAY FITIAVANA IHANY.


Zazavavy, tabia reharehan-tanàna,
mitomany fa hoe diso fanantenana,
taona maro manenina hatrany hatrany,
izany koa NOHO ILAY FITIAVANA IHANY.


Ny fitia ary rnanana lafiny roa
koa antsika no maka izay tena soa
fa na ory na sambatra isika eto an-any,
mazava fa NOHO ILAY FITIAVANA IHANY.

Partager ny fitiavana ihany

Commenter ny fitiavana ihany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite